Sarotro (Aingampanahy Feon'ny Saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarotro!

Ary nisy volon'andro notsatsoin'ny fahanginana,
Tao am-pon'ny lohataona fiotazan-kamamiana!
Toy ny riakan'alahelo hiandrandrana fiononana,
Nefa mbola injao manosaka antontan'hakiviana.

Tsy mba tony, tsy matory mihotakotaka he ny foko,
Tsy tafandry fa mandoatra ny hararetrany marefo...
He ry vetso takariva izay mandranitra toloko,
Taminao dia taminao no nateraka ny sento!

Hosamboriko ary ve ny alim-bolana any ho any?
Ho ampalesiko eto an-tratra irony tara-bolafotsiny?
Sa ny antsalim-pivahiny no hamahoako tomany?
Sy hamboleko fitoniana amin'ny laingon-drotsirotsiny?

O! Hongoty ry hariva ity sampahon'alahelo
Andrimbino sila-bolana any an-dambanao ny feriko,
Ndao fehezo tsy hitsonika ka hamoha ny velovelo,
Sakambino e ny fanahy sy ito fo izay manireriko!

Aingampanahy FS
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
11 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aingampanahy Feon'ny Saina
Nampiditra : Afs185
Daty : 03/12/2024 12:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139