Ny vehivavy (Andry Andrianina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy takatrao ho saininaNy sata ijoroany
Na hita ho refesina
Ny tanjona imasoany
Na hirika iheverana
Izay hery isalorany
Na ny gidra iaretany
Saingy ilofosany
Ny vehivavy tsy akory
Raha hoe fanaka malemy
Dia ho nilaozan-tsata
Sy vina nokendreny
Ny tanjona ifantohany
fa teny efa nomeny
Hasambaran'ny ankohonany
Imasoany ombieny
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Andry AndrianinaNampiditra : Andoandrianina
Daty : 11/12/2023 12:35