RAISIKO (ANDRY KANTO MENDRIKA Nahitsy ny 27/09/25)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho sitrana eny foana,izany fo marary izany.Fa raisiko ho lesona,ny zava-nisy androany.
Ny olona iray rehefa tiavina aminy fo
Mahavita mihitsy mankarary an-doha
Hangina eny foana,ny foko be tomany
Fa raisiko ho lesona,ny zava-nisy androany
Ny olona iray rehefa antsoina hoe malala
Aoriana ao dia,mahavita mankahala.
Mahatsiaro eny foana,ny foko be talaho
Sanatria malala,ny hivavaka aminao
Ny olona iray rehefa mba omena toky
Mahavita mihitsy,mamadika ny boky
Fafako moramora ilay teny hoe malala
Manaiky aho anio fa…ny antsika tsy anjara
Tsaroako eny foana ilay teny hoe doria
Fa iny manko no nandrava ilay fitia
Raisiko ho lesona izao zava-misy izao
Eny e! marary ny ao anaty tratrako ao
Nifarana hatreo ilay fitiavantsikaroa
Dia lasa nivadika ho aretim-po
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRY KANTO MENDRIKA Nahitsy ny 27/09/25Nampiditra : AKMKT
Daty : 14/05/2026 12:54
