dada (anjf)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada Satrinay ianao eo faona fa tsy andao
Ho namanay sy sakaizanay hiara hilalao
Satrinay ho eo faona
Na fahavaratra na lohataona.
Nefa mo ny fiainana tsy vita izany,
Lasa ianao nande mba ahasoa ity ankany
Ny hariva tsy misy anao mpivavaka ho anay
ireo angano notatarainao tao mivadika tahotray.
Ireo tambitamby sy ireo sangitsika,
to hafanana ho anay rehefa andro mangatsika
dada dia lehilahy mahery,
mpandresy horohoro sy ireo tahotra mihery.
--------
Rohy:
Sokajy :
Marsa 2024