Oram-pahavaratra (Anonymous)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry orana mitraho, oram-pahavaratraAho izao mitalaho, te hahafantatra
Valio, fa vaka sy miahotrahotra
Ory fa tia, fitiavana sarotra
Voady sy dina
Sa fitiavana mangina
Nofy mahatamàna
Tandidom-pahotana?
Fitempon'ny fo
Sa anatry ny saina?
Ilay tsy folaka fa milefitra
Ty manan-tsiny, tsy tohaina?
Very ny hevitra, vaka ny saina
Ary toa ranomaso no avalinao izany
Ry oram-pahavaratra mampitomany
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana