"Mpamaliha" (Antsa tononkalo.R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpamaliha

Izaho manohy ny diako,
amin'ny soratra imatesako
raha tahiny ka mateza?
-henika ahy ny valopolo,
Eny an-dalam-pamafazako. . .
kalokalo tonga ho azy
sarimonina ato am-poko.

Toy ny refy tsarapaika
izay nadika tsisy very
tamin'ireny zava-boahary,
tao am-pon'ny zazavavy ;
Izay narafitro ho sary
sarisary ho tonga vazo. . .

Mpankafy ny tenako aho,
mpankamamy ny fisiako
mpiangaly zavakanto
amin'ny soratra sy teny. . .
tsy mitory tena anefa
raha mitendry irony lyra,
fa manaraka ny tendry
tamin'ny laha-janahary,
ny fidobokin'ny foko ;
mba hanjary tononkira.

Fa raha tojo tampoka ahy
eny an-dalana hombako
ny miankandefambaravarana,
ka ho folaka tsy satry
itony androko tanora. . .
Rehefa tsara levona aho,
vao ho velona ny hirako !
ka hanomboka hamony
eny an'ivon-java-boahary
sy hiverina ho sary
ao am-pon'ny zazavavy :


'tony kalo tonga ho azy
sarimonina ato am-poko. . .
Vao hifarana ny diako,
eny an-dalam-pamafazako.
Amin'ny soratra! -imatesako.
Tamin'ny sary hanjary kalo
sy ny kalo ho tonga hira.


Antsa Tononkalo.R in.Hianao no mahalala
--------
Rohy:
690 2
Mpakafy: JJeremy_Lin_667 - cedarf
Hevitra mandeha
FanambinanaKely ( 27/01/2021 11:47)
Tsy mitory tena lesy fa efa momony efa ela tao amin'ialahy Izy
FanambinanaKely ( 27/01/2021 11:47)
Tsy mitory tena lesy fa efa mamony efa ela tao amin'ialahy Izy
antsa tononkalo.R ( 09/11/2021 15:17)
Mankasitraka indrindra rahalahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151