Teny, (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'i Vetso Mpamaliha

Teny. . .

Avelao re hamindra malako,
ny harivako manjeninjeny !
Fa ny jiron'ny fanantenako
dia kintana kely eny ho eny . . .

Dia kintana kely eny ho eny,
ny afon'ny foko tsy maty ;
Tsy maty fa mbola miteny,
mikalo mangina ao anaty . . .

Ao antin'ny haizina ngaly,
ny hirako sisa manako !
Ny hira nafafiko omaly
fanilon'ny lalan-kombako . . .

Hombako mankany, mankeny
avy eny amin'izay niandohako,
hamafazako voa amin'ny "Teny"
Ny teny izay mbola hiafarako

Hiafarako kanefa lalaiko,
hiposaka taratra avy ao . . .
Ny hirako izay hantenaiko
mbola hitsimoka... Fa Avelao !

Avelao re hamindra malako
ny harivako manjeninjeny !
Fa ho avy ny fahazavako,
ilay maraina nafafiko teny.

Antsa Tononkalo.R 27 volana May in "Hianao no mahala"
--------
Rohy:
646 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016