TSY HARY HANADINO (Antsa tononkalo.R)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hary hanadino,Hovaina foana ny lalan-kombàna,
tsy ho any aminao ;
kanefa ny dian'ny foko mankany,mankany ...
Ny lohako foana no mety ho voatàna,
tsy hitazana anao ;
kanefa ny saiko dia mierika ihany ...
Hakimpiko foana ny maso midiry,
tsy hahita intsony,
ilay endrinkao, anatin'ireo fitsiahy ...
Rehefa ny foko no mbola mikiry,
amin'ny tany itony,
lazaiko aminao: mibanjina anao am-panahy...
Raha toa ka ny foko no indray azon-tory ,
Mety sondrian'ny andro sy ny ora ,
rendremana foana ny nofo aman-drako !
Toy ny tsy teo, tsy nihodina akory. . .
Dia, Indreo vaky akora,
Ny tsiahy sy embona, anao, mifamaly an-damako !
Antsa Tononkalo.R
--------
Rohy:
Mpakafy:
antsa tononkalo.R
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Antsa tononkalo.RNampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 18/10/2016 19:32