Hevitra momba ny Ty hasarotam-piaronao!
Hiverina amin'ny Ty hasarotam-piaronao!
tiaraj (
08/02/2008 19:37)
Ny loza marimarina dia ity tsy fanajana
Tsy fahampiampitiavana?Raha izany azo hialana
Saropiaro aho satria diso tiako loatra ianao
Ka na dia tsy hajainao aza, te hitraotra lava izao
Ity foko feno ratra, norasarasainao
Ekeko fa sitrapoko, safidiko tokoa ny hitia,
Saingy, raha azo atao re, mba asio fiheverana ny aty...