Namako ve sa sipako ? (Co-ia Iavotriniaina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namako ve sa sipako?

Malaza be ao an-tanàna hoe isika sy ianao hono miaraka.
Mety ianao nampindramako akanjo angamba, no efa nisy naharaka!

Ny sasany mody mitsatoka, matahotra ho very fihinanana.
Mahavita mamorona angano, mahavita mampiady mpinamana.
Ny fiheverany ahy angamba ananana!

Kanefa maninona moa, raha isika sy ianao tena miaraka e?
Ianao angaha fianakaviana sady isika ohatry ny mba mifanaraka a!

Laingako izany f'izao e, andraso aho rehefa mirava
Misy lesona tiako hanontaniana sady tsy tena mazava.

Fa tsy maintsy mody alohaloha a! sao mantsy tsisy mpitsena.
Tsy maninona re fa ateriko e,... sa ijanona eny Ambohimena a?

Sarotr'izany raha lesona a! tsy hoe kamo aho fa tia haka aina.
Eo mba safosafoy aloha ny lohako, dia fohazy aho rehefa maraina.

Nofisako ve tsy ho haiko e! sady io efa namany vitako;
Fa ny zavatra iasan'ny saiko izao dia hoe: ianao namako ve sa sipako?

co-ia (Manandona 16/08/24, 10:21 alina).
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
272 2
Fans: Coia - ZavonaRakoto
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Co-ia Iavotriniaina
Inséré par : Coia
Date : 14/11/2025 03:05
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.011