Asa re... (Dan Mandimby)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa re!!!Ny bitsiky ny alina
No nanampy ahy hiarina,
Ny tsikin’ny maraina,
No nahazoko herin-tsaina
Ho vonona, hiatrika ny androany
Hiady amin’ny ankason’ity tany.
Hanatratra izay tanjona sy faniriako.
Ka ho tanteraka anie izay mba tiako.
Ny hariva ny fodiana…
Dia efa maro ny faniriana.
Ka mampametra-panotaniana.
Rahampitso, hitovy ny anio ve ?
Hikatso, hisosa, asa re !
Ho paradisa sa ho afobe ?
--------
Rohy: