Any izay malala! (Dan Mandimby)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any izay malala,

Herinandro izay…
Herinandro iray!
Herinandro no...
Nandaozany ahy.

Androany aho, …mahatsiaro
Ireo sangisangy maromaro
Androany aho, manimanina
Ireo angolam-pitiany, tsy ankijanona

Omaly ihany koa aho, tomany.
Omaly ihany koa aho, nijaly.
Omaly ihany koa aho… narary.
Teo ampijerena ilay sary.

Rahampitso indray, ho vitako ve?
Rahampitso tsy hay, ho haiko ve?
Ny hanadino ny fiarahanay…
Hamafa ireo fotoana nisambaranay.

Fito andro izay tena halako,
Nahalasan’ilay malalako,
Maty tsy ho hitako intsony.
Maty niakatra any ambony.

Dan Mandimby ( 12/03/2011)
--------
Rohy:
493 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dan Mandimby
Nampiditra : Dan.Mandimby
Daty : 12/05/2020 08:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0649