Nilaozany (danielR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tsikinao mamiko fahiny
Miteraka tomany ho ahy ankehitriny
Iny toetranao iny, tsotra sy milamina
Mitondra nofy ratsy toa tsy tanty, rehefa iny tonga ny alina

Ireo mba hany fahatsiarovana, sisa nanamborana
Toa be loatra, rehefa injay latsaka iny ny orana
Ilay fotoana kelintsika sendra nisy, niaraha-nozaraina
Ankehitriny toa tsy hay, mandoro ao am-po, mamotika ‘ty saina

Ireo hafaliana nisy fahizay, zary alahelo
Zary toa mandindona, toy ireny isan’isan’ny avelo
Ilay sarinao tsy afako an-doha, ianao eo am-pitsikiana
Tsy tantiko intsony, tsy mba toy ny fahiny, fa mitondra fahoriana

Ireo tena notiaviko fony teo anilanao
Toa tsy laitra, mampijaly mafy ahy izao
Lakalaka izato fiainana, fifaliana zary fahoriana
Angamba tsisy mafy noho izany: izany hoe nilaozan-tiana
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1527 0
Hevitra mandeha
arialy ( 23/04/2012 08:44)
Raha ny tiana no mandao
aza gaga loatra ianao
fa ataovy fitia tsy nitovy
ny fonao triatra no harovy

aza misaina ny efa lasa
izay loto ataovy tsara sasa
aza misaina izay tsy tia
fa mbola hoavy ilay fitia

fotoana very ny visavisa
aleo hoazy irery ny sisa
fa ianao efa olana afaka
ny fiainanao ho lafatra

tsy ny tsy tia no handavo
miezaha ho amin'ny avo
fa izy iny olo-mandalo
aza tomany, andao hikalo ...


Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : danielR
Nampiditra : danielR
Daty : 17/04/2012 13:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179