Raha mba fantany (danielR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarotra ny miaina
Fahoriana, sentosento, ranomaso sesilany
Resy, mitaraina
Omaly sy androany ary ampitso ve ry tany?

Hafaliana lany loko, tsikitsiky lany andro
Lasa nody, lany lera, tsy hitoetra eto intsony
Zavona sy orana no sisa efa dify ny masoandro
Efa vizaka sy lanaka, lany hafanana izany fony

Ny fitiavana nirehitra, nantenaina ny ho avy
Tsy mba nisy iray namaly, fa nipetraka ho irery
Ilay fo mba nitahiry ireo tsara indrindra ho Azy
Tavela irery teo, nitoloko, tsy mba nisy iray nijery

Ranomaso nikoriana avy amin'ny maso efa vizaka
No mba hany valiny azon'ity fo toa mbola adala nanantena
Tambitamby sy fitiavana, angolangola izy nangataka
Kinanjo, angamba tsy mba ho azy izany, indrisy mahonena

Sarotra ny miaina
Ilay fifaliana antoky ny fahasambarana
Nivadika ho taraina
Antoky ny fahoriana, ilay mafy indrindra ananana

Ilay tsy hisy azy
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
2263 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 28/03/2012 12:02)
tsy ratsy!
missylvie ( 29/03/2012 08:37)
Na dia mafy sy mafonja aza anefa ny ady izay hoatrehina, ho sanatriavina @ko ny ho kivy na ho ketraka... hitraka aho, hiady mafy ka hiotra, ny hany masaka ato antsaiko dia: rahampitso aho mba hifaly
danielR ( 29/03/2012 13:20)
msaotra indrindra
hery ( 11/04/2012 08:09)
Sarotra fa tsy impossible
danielR ( 17/04/2012 13:28)
tena marna
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : danielR
Nampiditra : danielR
Daty : 28/03/2012 07:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159