NENIKO (Diary-ko)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa naleoko ihanytsy nahalala anao
raha toy izao no niafarany
'lay endrikao tsy afaka
ao an-tsaiko ao
indraindray mahasolafaka
Fa naleoko aza nangarika
tsy fidiny
na dia nahita anao nambabo, nahasarika
Fa naleoko tsotra
niharitra ny ngidiny
tsy namboraka fitiavana
Raha nampoiziko aza
dieny ianao nilaza
navaliko FANDAVANA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana