AM-PELATANANAO (Edena Mna)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiainako Jesoa Aza avelanao irery
Raha mihatrika ady mafy
Fa aoka Ianao hijery
Hiaro ahy tsy ho faty
Ny fiainako Jesoa
Indraindray sembanin-drahona
Ka vonton-tomany
Ianao anie hanohana
Sy hanarina ahy hatrany
Ny fiainako Jesoa
Raha anaty fifaliana
Henim-pahasoavana
Aoka aho hahay hangina
Hanetry tena sy hisaotra am-pitiavana
Satria ny fiainako Jesoa, am-pelatanaNao!
Edena Mna (Aogositra 2024)
--------
Rohy:
Mpakafy:
EdenaMna
