Inay aho... (Eugene.lR)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inay aho mba erikerika, nifafy teny rehetra teny!Tsy nifidy hirotsahana na toeran-kitodiana!
Inay aho mba hazavana, ireny manjopiaka ireny!
Ilay mitsidika isan'andro, mahita ny isam-baravarana !
Inay koa aho voronkely ka mba afaka nanidina!
Nitety ny habakabaka iny, nahita izay rehetra tiana!
Dia foana teo ny elanelana, ny lala-miakatra sy midina!
Tanteraka tokoa ireo nofy toa saritsarim-paniriana!
Inay ianao mba toa ahy...
Eugène lR.
--------
Rohy:
Mpakafy:
EugenelR