Ankizy mpangataka (Fanilo Masindahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankizy lahy iray no miandrandra valimbavaka;
Ao anaty fahoriana lalina, izy no miezaka mitsiky
Noana sy farofo, toa voro kely anaty lavaka;
Miandry izay handalo, hangoraka raha hisy...✨

Very fanahy mbola velona, fa azom-pahoriana...
Miangatra hoy izy ny fiainana, fa ady ! Fijaliana...
Rahoviana ny vintana vao mba hamiratra ?
Sa ho faty manantena! Tsy mahatombo-tsiraka ?

Tsy te hikaroka vahaolana intsony...
Ny saiko mihintsy hoy izy no efa resy !
Tomany irery, ato anaty lamba gony...
Fa atreto mbola mangataka no mety ! ?

Mafy ny kamboty hoy izy; dieny izao...
Mbola velon-dray aman-dreny ianao !
Hajao izy, ary ny fianarana hilofoso...
Aza miandry fahalavoana;
vao tapakevitra hiroso ! ??
--------
Rohy:
63 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fanilo Masindahy
Nampiditra : Fanilo007
Daty : 08/03/2026 03:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0189