Rehefa Tonga ilay ora farany ka... (Fanilo Masindahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any andro, any volana
Ipatsapatraka ny orana
Fa hisaona ny tany, feno alahelo tsy azonao fehezina
Fa nodimandry ny andrarezina, 'lay Poeta, Fanilo ny haizina

Ho tsaroana tampoka! Ny soa navelany
Ny asa soratra sy ny fiainany, fony ny fahavelony
Izao foana no teniny: Tsy tonga lafatra fa afaka miezaka
Anio izy lasa kintana, fa hijanona ho fahazavana

Ao anatin'izany dia ireto teny ireto no iverimberina
Hoe tsotra izy iny no sady be fandeferana
Tsy vitan'izany fa hipotra eo koa ny nafenifenina
Ny hadalana kely niarahana, tsy hay noferana

Eny am-pandevena,
Mety tsy hanatrika eo 'lay nofinofiny hatramin'izay
Kanefa ilazao ihany, ary ity no fiangaviany farany
Averino hiraina ireo hirahira, hitoetra mandrakizay
Avelao hanjaka ny fifankatiavana, hatreo ny tantarany.

17 oktobra 2022 , Admizana
--------
Rohy:
115 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fanilo Masindahy
Nampiditra : Fanilo007
Daty : 08/03/2026 04:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0186