AHITAKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AHITAKO





Ahitako fifaliana
ny eo anilanao
raha toa iniana
ny eto milalao.




Ahitako fitiavana
tsapa lavareny
mampihavana
ny fo ombieny.




Ahitako fiadanana
mandrehitra ahy
vazo notanana
takin'ny fanahy.




Ahitako hazavana
mitondra ho azy
itony hatsarana
ka be vazivazy !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
11 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115