AKOHO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AKOHO




Akoho tsy naneno hoatra izay,
ahina ho lasan'ny kary,
fa tsy any sy milaza ho mahay
mitia na mbola mirary.



Akoho tsy nihira hoatra izay,
ahina ho resin-tory,
fa tsy niasa na toa nilomay
hanova izay sorisory.



Akoho tsy niantso hoatra izay,
ahina ho akoho vavy,
fa tsy ny mpamoha te handray
'ty maraina miangavy.



Akoho tsy reko hoatra izay,
ahina ho akoho dangy,
fa tsy any raha sarobabay
izao no toa tsy sangy !…





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1425 1
Mpakafy: Vitsikakely
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012