ALAHELO ANATY FANGINANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALAHELO ANATY FANGINANA





Alahelo anaty fanginana,
efitra feno hamaizinana
no iainan'ny foko, zareo,
ka latsa-tomany vao teo.




Alahelo anaty fanginana,
tsy mba hay anombinana
no mandrebireby daholo,
mamely ahy manontolo.




Alahelo anaty fanginana,
saino sy asio fandalinana
fa mampahory tanteraka,
sady mbola mandreraka.




Alahelo anaty fanginana
raha asiam-pamintinana
no mampitraotra etoana
ka mamoy ny haravoana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
883 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0128