ALAHELO TSY AMBARA HAVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALAHELO TSY AMBARA HAVANA





Alahelo tsy ambara havana
dia zakan'ny tompony ihany,
na bitika etoana na goavana
ka mampisento tsy hita lany.




Alahelo tsy ambara havana
dia mampisosa ny fiainana,
na dia tsy mahazo fitiavana
na tsy misy ange itarainana.




Alahelo tsy ambara havana
dia mampitony eto mangina
fa izao fotoam-pahasoavana
hisaintsainana 'reo vinavina.




Alahelo tsy ambara havana,
mampety ny zava-drehetra
ka safidy mifono finiavana
milamina tsy tia amboletra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
907 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0163