ALEOKO MANGINA (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEOKO MANGINA





Aleoko mangina
amin'ny fitoniana
toy izay hitabataba
ka hampively daba.




Aleoko mangina
amin'ny fitokiana
toy izay hipoipoitra
anio raha mitsotra.




Aleoko mangina
amin'ny fifaliana
toy izay hitaditady
ny ho any, aza fady




Aleoko mangina
amin'ny fihariana
toy izay hisahirana
amin'ny tsy idirana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
17 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 25/04/2026 09:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123