Ampidiro aloha ny tenimiafina
AMIKO NY RAY... (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIKO NY RAY…Amiko ny ray raha vao nanomboka namindra
no hita nianteherana ka toa tadidy indrindra ;
amiko ny ray fony mbola ankizy sy naditra
no nikatsaka nambomba fitiavana tsy ritra ;
amiko ny ray dia ilay namana nohatonina
nilazako ny alahelo fa tsy lainga be foronina ;
amiko ny ray raha ato am-po foana ombieny
dia andry nitokiana nataoko ho solon-dreny.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
Hevitra mandeha
SOBIKA
(
09/05/2007 14:46)
ndrôooooo
raha mba izay tokoa moa
raha mba izay tokoa moa
