AMIN'NY TANY ROA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'NY TANY ROAAmin'ny tany roa
itony misy antsika
ka mahereza moa,
alefaso ny mozika.
Amin'ny tany roa
mifanalavitra eto
ka ny alahelo koa,
manadala, raketo.
Amin'ny tany roa
miaraka mangina
ka anio, mazotoa,
iaino ny hafaliana.
Amin'ny tany roa
itomboan'ny fitia,
mampiray kokoa
antsika ho doria.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
