ANDRO IRAY TSISY TSIKY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRO IRAY TSISY TSIKY





Andro iray tsisy tsiky,
andro iray mampikiky
'rony sedra nolalovana
efa lasa fahatsiarovana.




Andro iray tsisy tsiky,
andro iray mampaliky
ny adidy 'zay sahanina,
indrindra raha manina.




Andro iray tsisy tsiky,
andro iray tsy vikiviky
amin'ny asa isasarana,
n'inona re no anarana.




Andro iray tsisy tsiky,
andro iray mahory, iky,
mamono ho azy etoana
'zay rehetra haravoana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
740 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113