AOKA ISIKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA ISIKA




Aoka isika hikatsaka
izay ilain'ny firenena
fa mbola milatsaka
ny ariary ka mivena.



Aoka isika hifantoka
an'ireo manan-danja
fa anio dia miantoka,
na dia eny an-kianja.



Aoka isika hifofotra
an'ireo ovana tokoa
fa dia mahasosotra
ny krizy entiny moa.



Aoka isika hihevitra
an'ireo manahirana
fa ela no nandefitra
ka vahao hifikirana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
12 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 13/02/2026 16:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011