ARIARY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARIARYNahoana ny ariary
no mitotongan-dava
toa zava-mankarary
mila handravarava ?
Nahoana ny ariary
no tsisy vahaolana
ka mampibaribary
ny maizim-bolana ?
Nahoana ny ariary
no mampidi-kizo
ka na vidim-bary,
indro mampizizo ?
Nahoana ny ariary
no mafy fiantraika,
misaina ny hanary
antsika eto maika ?
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - fiainana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Alahelo - Aingam-panahy
