ATAHORAKO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAHORAKOAtahorako hatsiaka
no hisoko mangina
vao tia mitsoriaka
tsy eto hitokiana.
Atahorako hipoitra
itony embona irery
izay mora mizotra
rehefa iny voatery.
Atahorako hitaona
ny sento tsy miala
mety hampisaona
raha tsy mahalala.
Atahorako hisaina
ireo sedra nangidy
mbola nahamaina
no tsy mba safidy.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
