AZA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA





Aza alefa intsony
'zany hira izany
fa tsy mampitony
sy mahabe tomany.




Aza aseho indray
'reny sary ireny
fa mila hampivay
ny fery lavareny.




Aza tairina eto
ny sedra nahazo
fa ady ka rafeto
hiova hampivazo.




Aza averina avy
ny tantara nisy
fa dia nampanavy
izany ka indrisy.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
980 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119