AZA LAVA TARIA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA LAVA TARIA




Aza lava taria
no angatahiko
fa nampikodia
ka tsy arahiko.



Aza lava taria
fa tsy itokiako,
nandrava fitia
ary nijaliako.



Aza lava taria
fa nampahory,
sady toa ninia
tsy hampatory.



Aza lava taria
fa dia be lainga ;
kizo nampahia
matoa miainga.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
299 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0206