BALISAMAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BALISAMAKO





Balisaman'ny orako
nahamanitra ho azy
ny dia raha aborako
izy iny re ka fohazy.




Balisaman'ny saiko
nampitony ny jaly
mba zavatra ilaiko
hanova ny omaly.




Balisaman'ny feriko
saika tsy ho sitrana
nampisy ny heriko
no nampivitrana.




Balisaman'ny aliko
mpitondra ito tory
ka raha atontaliko,
tsy foiko eto akory.






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
876 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0134