Betsaka (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Betsaka ny zavatra tiako ravana

Hivalona hatreo,

Kanefa tsarovy fa tsy mety fafana,

Mitondra toreo.

Betsaka ny zavatra tiako saronana

Hanova ny ho avy,

Kanefa tsarovy fa tsy mety takonana

‘zay nampanavy.

Betsaka ny zavatra tiako andosirana

Hihataka foana,

Kanefa tsarovy fa tsy mety mahamirana

‘zay manoloana.

Betsaka ny zavatra tiako hadinoina

Hilevina hatrany,

Kanefa tsarovy fa tsy mety vonoina,

Mamoaka tomany.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Ahiahy
2953 1
Mpakafy: kabatritra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117