BOKY MIHIDY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BOKY MIHIDY




Boky mihidy
tsy sokafana
rehefa ngidy
vao niafana.



Boky mihidy
mampahory
mangidihidy,
manorisory.



Boky mihidy
tsy fambara
na ho amidy
any am-para.



Boky mihidy
tsy kitihana,
sao handidy
hotsirihana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
145 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/11/2025 08:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1318