Ampidiro aloha ny tenimiafina
DIAN'NY FAHATSIAROVANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIAN'NY FAHATSIAROVANA,Dian'ny fahatsiarovana
no tonga any aminao
misy nofy nandalovana
mamy hatramin'izao.
Dian'ny fahatsiarovana
no mandefa ny vinany
tsy manam-pahalovana,
na rahoviana izany !
Dian'ny fahatsiarovana
no mitondra ilay fitia
mbola lafo sy arovana,
ry tsy foiko, matokia !
Dian'ny fahatsiarovana
no manainga etoana
mikatsaka hisy tovana
hitondra haravoana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
