ELANELAN-TANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ELANELAN-TANY






Tsy ny elanelan-tany
no hampihena ny fitiavako,
na misy tsy hita lany
ny sentosento re, rahavako.




Tsy ny elanelan-tany
no hanome fanadinoana,
na misy ireo tomany
indraindray fa tsy tsaroana.




Tsy ny elanelan-tany
no hampiova ny safidiko,
na lavitra aok'izany,
'lay ambara ho sarobidiko.




Tsy ny elanelan-tany
no hampiala ahy mangina,
na maloka eto ihany
sy toa mahazo fanaviana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fitiavana
2476 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117