Ampidiro aloha ny tenimiafina
FA IZA MOA IANAO ?... (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA IZA MOA IANAO ?...Fa iza moa ianao no nanova ny fiainako
ka afa-nandrodana ireo mety fitarainako ?
Iza moa ianao fa na tiako sy tsy foy,
ranomaso foana no tonga sy mijoy ?
Fa iza moa ianao no nitondra ny alahelo
nafenina mangina tato am-po mamelovelo ?
Iza moa ianao fa ny taza-maso sy tsaroako,
tsy rediredy etoana, na saika tsy ninoako ?
Fa iza moa ianao no nanjary olon-kafa :
tonga hoe fahavalo sy tsy nahay nitafa ?
Iza moa ianao fa toa mahagaga hatrany,
raha ela niarahana ka mampanontany ?
Fa iza moa ianao no mba zazazaza saina
ka ny efa nomena, notadiavinao nalaina ?
Iza moa ianao fa mbola hafahafa kosa
raha notiavina hatrizay no lasa nifosa ?
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Hevitra mandeha
mitsoa
(
12/06/2013 07:47)
tsy tsaroinao ve fa izaho lay fitiavana nifoha tao anaty lalina ka nahantong anao ho toy izao???
3004
(
12/06/2013 17:31)
Marina raha tsaroako. Naninona ianao izao vao niteny ?....Aiza ianao fa tadiaviko ?!
