FAKAM-PANAHY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAKAM-PANAHY




Fakam-panahy
ny hieritreritra hafa
rehefa tsy sahy
hanova ny sahafa.



Fakam-panahy
ny hihataka etoana
rehefa manahy
sy tojo fisentoana.



Fakam-panahy
ny hanala fitiavana
rehefa ho ahy
ny jaly re, rahavana.



Fakam-panahy
ny handrava ny dina
rehefa eto, lahy,
mipetraka mangina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
9 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/03/2026 00:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119