FANGIRIFIRIAKO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANGIRIFIRIAKOFangirifiriako
ny lavitra anao
tsy mba tiako,
na inona atao.
Fangirifiriako
ny nisy rehetra
mbola itokiako,
n'aiza, mitoetra.
Fangirifiriako
ny vazontsika
ka itomaniako
vao tsy sariaka.
Fangirifiriako
ny fitia tsy foy
tsy mba iniako
raha dia mitohy.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
