FIAFARANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAFARANA




Fiafaran'ny jaly,
hanova etoana
ny sedra omaly
ho haravoana.



Fiafaran'ny tazo,
handrafitra hery
hamelona vazo
ho ahy samirery.



Fiafaran'ny rava,
hamerina indray
ny tiana hazava
ho mandrakizay.



Fiafaran'ny mafy,
hampiaina mora
ny tokony hatafy
tsy ho voarora.



.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
505 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.883