FIRENENA INONA ? (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIRENENA INONA ?Firenena inona no entina
raha ny vita feno pentina
sarotra aminy hazavaina
rehefa ratsy no lanjaina ?
Firenena inona no entina
raha feno vola mitentina
tapitrisa maro manodoka
no toa tsy hita popoka ?
Firenena inona no entina
raha tsy miasa fa lentina
ny fandrosoana nirariana
hahay hitondra fitahiana ?
Firenena inona no entina
iarahana amin'ny rentina
raha ny vahoaka, topazo
mangozohozo misy tazo ?
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fiaraha-monina - fiainana - fananarana - Eritreritra mandalo - Alahelo - Aingam-panahy