GIDRAGIDRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
GIDRAGIDRA




Gidragidra no aloka tonga,
izay tokoa fa tsy somonga
rehefa tsy sainy ny tanjoko
sy tsy nomeny ny akanjoko.



Gidragidra no nisintahana
fa vava lava no niarahana,
fosa sy latsa no navoitra
fa tsy fitia no nipololotra.



Gidragidra no nandosirana
fa nanadala ny fifandirana,
nahakivy ombieny ny fony
tia namoaka ireo lonilony.



Gidragidra no nampihataka,
na teo foana aza ny vavaka
nialana amin'izany tanteraka
mbola tsaroana nandreraka.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
313 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 27/02/2024 15:42
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112