HAJAIKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAJAIKO



Hajaiko ilay Fitiavana mbola lafo sy tsy roa
efa nanan-toerana sy naharevo ahy tokoa,
natokako ho anao tsy mba hiova ombieny,
tsy haiko hoe ambara indrindra amin-teny.


Hajaiko ireo fotoana noheveriko tsy ho faty,
nampisento lalandava sy mila tsy ho tanty,
nandrakotra alahelo teny foana impiry,
Nanonja be hatrany itony ora makadiry.


Hajaiko ireo fahiny nanova izay momba ahy
nitondra nangingina hamoaka itony tsiahy,
nandravaka eto koa ireo izay tantarantsika,
na taiza re no nisy itony vazo tsara bika !


Hajaiko ireo safidy nisy voady hafa kely
nampisioka mora sy mamy toa tantely,
nampientana ny dia fony isika niaraka
nefa moa indrisy efa voahangy raraka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1368 1
Mpakafy: zoana15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122