HARENDRINA HAZAVAO ! (Fredy Jaofera)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HARENDRINA HAZAVAO !





Harendrina hazavao
'zany lalana ombana
feno haizina eto izao
fa fety mahatamana.




Harendrina hazavao
'reto ankizy falifaly
hahita fiainam-bao
manimba ny omaly.




Harendrina hazavao
ny vahoaka sahirana
kivy foana tao ho ao
fa tsy misy ifikirana.




Harendrina hazavao
ny fiainam-pirenena
efa tsapa ho nandao
ny soa ka mahonena.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
500 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.019