HATRAMIN'IZAY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAMIN'IZAY





Hatramin'izay tsy loha
no nitady izay nilaiko
ka nahoana rehefa voa
vao tokony hohajaiko ?




Hatramin'izay tsy tiana
ny kasakasa nibosesika
ka nahoana rehefa sina
vao avy amin'ny sesika ?




Hatramin'izay tsy nety
'reo andry nahalehibe
ka nahoana, vetivety
dia niova izany ange ?




Hatramin'izay tsy tsara
ireo zavatra nodiaviko
ka nahoana rehefa tara
vao tokony hotiaviko ?




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
478 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0182