HOSIKY NY FO (Fredy Jaofera)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOSIKY NY FO





Ny hosiky ny fo,
mamy lalandava,
azo antoka fa to
ka manavatsava.




Ny hosiky ny fo,
mivetso ny fitia,
tsy inoana ho lo,
na aiza, matokia.




Ny hosiky ny fo,
monina ao anaty,
tsy mba very zo
na ho lany daty.




Ny hosiky ny fo,
harena sarobidy,
na inona manjo,
na inona safidy !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1139 0
Commentaires
hery ( 17/03/2019 15:50)
Inona no dikan'ilay "Hosika" kay? Dia hosika no famaky azy sa hôsika?
Misaotra hatrany e
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118