ILAY MALALA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY MALALA




Ianao ilay malala
mampihira ny androko
tsy hanan-tsahala
ny anjara masoandroko.



Ianao ilay malala
mampitsiky ny tavako
mbola mahalala
ireo vetsom-pitiavako.



Ianao ilay malala
nampisinda ny ratrako
ka nofy tsy miala
ny ho eo an-tratrako !



Ianao ilay malala
mampiay ny anarako
ka ny hankahala
dia tsy hasambarako.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
526 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0388