INDRAINDRAY RE (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRAINDRAY REIndraindray re, aho
mieritreritra antsika
fa mifamahofaho
ny lasa rehefa adika.
Indraindray re, aho
manembona etoana,
toa mitady vaovao
izany raha tsaroana.
Indraindray re, aho
mirotsa-dranomaso ;
irony hira sy lalao,
malala ô, andefaso !
Indraindray re, aho
manonofy lalandava
fa rehefa ao ho ao,
ny sento mba hisava.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
