IZAHO DIA... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO DIA...




Izaho dia nihevitra
fa ilay tiana
ato amin'ny efitra
mangina.



Izaho dia nihevitra
fa ilay olona
hampandefitra
ny tolona.



Izaho dia nihevitra
fa ilay harena
ho an'ny fenitra
nekena.



Izaho dia nihevitra
fa ilay tsy foy
tsy mahatezitra
ka hadinoy.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
287 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0153